ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Niara-nifety tamin-kafaliana ny mponina

Ao anatin’ny akon’ny fety fankalazana ny fetim-pirenena, nafana ary niara-nifety tamim-pifaliana ihany koa ny vahoak’Ankadikely Ilafy. Nandritra ny telo andro, maro ireo hetsika niseho tao an-toerana, izany ihany koa moa no nisy dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny tomponandraikitry ny kaominina sy ny distrikan’Avaradrano ary ny faritra Anlamanga, araka ny voalaza.

« Ho an’ny faritra Analamanga, podium goavam-be no nomanina ho an’ny vahoaka nandritra iny fety fankalazana ny fetim-pirenena iny ka namarana azy ny teto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Nahafaly satria nitovy avokoa ny fisehon’ny fankalazana dia nafana ary nahavory vahoaka maro » hoy ny avy amin’ny faritra Analamanga.

« Nafana ny lanonana teto amin’ny Kianjan’ny Fifankatiavana. Nitotorebika ireo vahoaka tonga maro be niara-nifaly sy nikorana tao anatin’ny « Podium goavam-be 2023″ niarahana tamin’ireo mpanakanto fata-daza, narahina afomanga. Hisaorana ireo niara-nientana rehetra tamin’ny kaominina ny fahatontosana izany » hoy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina ao an-toerana.

Samy nanana ny nampiavaka azy avokoa moa ny fankalazana isaky ny kaominina tamin’ity fety ity. Na izany aza anefa, dia mitovy avokoa ny vokatra azo satria samy nifety tao anaty fifaliana sy filaminana ny rehetra.

Manitra R.

Laisser un commentaire