ActualitésTatitra

Etats-unis : Iza moa i Howard Gardner?

Teraka ny 11 jolay 1943 tao Scranton, Pennsylvanie i Howard Gardner. « Psychologue » momba ny fampandrosoana avy ao Amérique izy ary profesoran’ny siansin’ny fampianarana tao amin’ny oniversiten’i Harvard sady profesora « neuroscience » tao amin’ny oniversiten’i Boston.

Namolavola ny lalan-tsaina « La théorie des intelligences multiples » i Howard Gardner izay milaza fa misy karazana valo ny fahaizana eo amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe. Mifototra amin’ny tontolon’ny fampianarana kokoa ny asa fikarohany.

Anisany tena ahafantarana azy ny boky mitondra lohateny hoe « Frames of Mind : the theory of multiple intelligences » sy ny « The Mind’s New Science ».

Laisser un commentaire