ConseilTsidika

BTC Masters Project : Inona no hevitry ny teny hoe « Tompon-daka » na hoe « Mpandresy » ?

Miseho amin’ny endriny maro ary hita amin’ny sehatra isan-karazany ny olona « Mpandresy » na « Tompon-daka ». Fa inona tokoa moa no tena hevitr’io voam-bolana hoe « mpandresy » na hoe « tompon-daka » izay adika amin’ny teny vahiny hoe « Champion » io ?

Hoy i Faneva, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo : « Ny teny hoe mpandresy na hoe tompon-daka raha vao nisy sedra, adina, na fifaninana natao ka tafavoaka mpandresy ny olona iray ka naheresy ny ankilany dia izay no atao hoe mpandresy ». Manana ny famaritany io teny io ihany koa ireo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena, « ny hoe mpandresy dia olona niady mafy, nifehy tena dia manana fitsipi-pitondra-tenany ahafahany mibanjna tanjona iray mba ahatonga azy mpandresy izany hoe hahazo amboara na voninahitra ». Araka izany samy manana ny famaritana ny atao hoe « mpandresy » avokoa ny olona tsirairay.

Manana ny tantarany io teny io, ary manana ny fiaviany. Avy amin’ny teny alemana « kampjo » izay midika hoe mpiady eo amin’ny raharampitsarana. Ao anatin’io teny io misy hoe “champ de bataille” na kianja fifanandrinan’ny roa tonta, ao anatin’izany ny hoe fiarovana ny antony an’ny tena izay mahatonga ny ambom-po sy fikatsahana voninahitra hanatsarana ny ho avy. Hita taratra izany ao antin’ny horonantsary nivoaka ny taona 1979 tany Etats-Unis, « The Champion ».

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana mandritra ny « BTC Masters Project » ny fampahafantarana mahakasika io voam-bolana iray io, izay entina hanomezana lanja sy hahatsirovana ireo tompon-daka, ireo mahery fo, ary ireo sangany, izay atao amin’ity volana septambra 2022 ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire