Alliance Francaise : Maro ny zava-bita nandritra ny fankalazana ny faha 75taona niorenany.
Dépêche 09 janvier, 12h, Ny taona 2022 teo no feno 75 ny Alliance Française etsy Andavamamba. Ankoatra ny mampalaza azy ireo amin’ny fampianarana ny teny français dia maro ireo zavatsoa afaka halalalinina ao amin’io ivon-toerana io ary efa matihanina amin’izany ireo mpampianatra. Nofaranana ny sabotsy 07 janoary teo ny fanakalazana ny faha 75 taona. Tamin’izany no nanaokanana ny trano lehibe ho enti-manampy ny fanabeazana. Trano iray ahitana efitrano miisa sivy izay natao indrindra hahafahana mandray mpianatra betsaka noho izay efa teo aloha.
