La Réunion : Nisokatra ny « trampoline Park » voalohany ao Saint-Denis
Taorian’ny « Jet d’eau » dia nisokatra nanomboka ny herinandro lasa teo ny « trampoline Park » antsoina hoe Magic Jump ao Saint-Denis. Mivelatra amina velarana 700 metatra toradoroa ny toerana, izay tena midadasika ary afaka mandray olona hatramin’ny 60 isa.
Marihana fanatanjahantena ny « trampoline », maro ny mampiasa azy eo amin’ny sehatry ny fialamboly fa misy ihany koa ireo manao « acrobaties artistiques » amin’izany. Raha ny fanazavan’ny manam-pahaizana dia ahazoana tombony ara-pahasalamana ihany koa ny fanaovana azy io. Amin’ny mampihevotrevotra azy dia ahafahana manao fanazaran-tena hikotranana ny « équilibre » io fitaovana io, miady amin’ny «fonte musculaire » sy ny « retardement de l’ostéoporose » ihany koa izany.
