ActualitésTsidika

Ambatovy : Hanampy ny Ministera amin’ny famokarana vary

Manana vina ny hanampy ireo tantsaha ampamboly vary ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ka niara-dalana tamin’izy ireo amin’izany ny orinasa Ambatovy. Ny tanjona lehibe indrindra amin’izany dia ny mba hahafahan’ny Madagasikara manatratra ilay tanjona mahakasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Maro ireo fanampiana izay entin’ity orinasa ity hanampiana ny tantsaha eny an-tsehatra rehetra eny.

« Fiaraha-miasa eo anivon’ny Fanajakana sy ny orinasa tsy miankina Ambatovy izao atao izao satria samy mahita ny roa tonta fa mila hampiakarina ny famokarana hahafahana miala amin’ny famokarana sy ny fidangan’ny vidim-bary eny anivon’ny tsena tsirairay eny. Manerana ny faritra miisa 23 no ho tratrarina amin’ity tetik’asa ity satria samy ahitan mpamokatra vary avokoa ireny toerana ireny », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

« Faritra 11 ho tohin’ilay efa nataon’ny Ministera izao hataonay izao. Hanolotra masomboly sy zezika manara-penitra ho an’ireo tantsaha ireo izahay hahafahan’izy ireo mamokatra zavatra tsara sy mendrika ary mitombo. Ankoatra izany asa mahaksika ny fambolena izany dia manampy ihany koa izahay ireo olona manodidina ny toeram-piasana. Ao anatin’izany ohatra i Moramanga izay nahazo famatsiana rano fisotro madio », hoy ny avy ao amin’ny Orinasa Ambatovy.

Tokony hahavita mahaleotena ny Malagasy ara-tsakafo saingy ny teknika sy ny fenitra mamokatra betsaka no tsy ampy ka izany indrindra no tokony hampiofanana ny tantsaha. Vahaolana amin’ny fidinan’ny vidim-piainana ny fambolena sy fiompiana ka ilaina ny mampiroborobo izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire