ActualitésTsidika

Alasora : Hanomboka ny sabotsy izao ny fampianarana maimaim-poana atolotry ny kaominina

Taoran’ny fampilazana sy fanentanana nataon’ny avy ao amin’ny kaominina Alasora, mahakasika ny fanomezana fampianarana maimaim-poana ho an’ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana ao an-toerana, dia efa nivoaka ny daty hanombohan’izany ankehitriny. Hanomboka amin’ny sabotsy 04 martsa izao ny fampianarana, raha ny voalaza.

« Ireo ankizy hanala ny fanadinam-panjakana amin’ity taona 2022-2023 ity no hahazo fampianarana maimaim-poana, atolotry ny kaominina. Hanomboka amin’ny sabotsy izao ny fampianarana ao amin’ny CEG Alasora no efitrano fianarana mandritra izany » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Araka ilay fisoratana anarana mialoha efa natao moa dia hisy araka izany ny fizarana karatra maha mpianatra, hahafantarana ihany koa ireo ankizy misitraka ny fampianarana ka amin’io andron’ny sabotsy io ihany koa ny hangalana izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina entina hanatsarana ny voka-panadinana ao an-toerana moa no antony hanomezana izao fampianarana maimaim-poana izao, izay marihina fa misitraka izany avokoa na ireo hanala ny fanadinana CEPE na ny BEPC ary ny bacc.

Manitra R.

Laisser un commentaire