Dépêches

Fanatanjahantena : Mbola andalam-pifampiresahana ny mahakasika ny fampitana mivantana ny CHAN

Dépêche 09 janvier, 11h30, Mbola andalam-pifampiraharahana tanteraka ny tompon’andraikitra ao amin’ny ORTM amin’izao fotoana izao mahakasika ny fampintana mivantana na tsia ny lalao CHAN. Hanomboka ny zoma 13 janoary izao izany lalao CHAN izay tanterahina ao Algérie. Ny tsy fahampian’ny vola handoavana ny « droits » no antony lehibe mbola mampikatso ny valiteny izay tokony ho heno amin’ity herinandro ity. Azo arahina manontolo ao amin’ny Canal+ kosa anefa izany lalao izany raha misy ny fahefana. Hirariana hahazo alalana ny TVM sy ny RNM hahafahan’ny Malagasy tsy vaky volo mianoka ny lalao sy manohana ny ekipany.

Laisser un commentaire