WorldSkills Africa : Lasan’i Madagasikara ny medaly volafotsy
04 Aprily, 10h00. Nitondra avo ny fanofanana arak’asa izy sy ny voninahitr’i Madagasikara nandritra ny WorldSkills Africa i Alisoa Wohlhauser. Ny WorldSkills moa dia fifaninanana eo amin’ny lafiny fiofanana arak’Asa ho an’ireo tanora 16 ka hatramin’ny 23 taona. Anisan’ireo mendrika nandritry ny « Olympiades des Métiers » sokajy « Service en salle » ity mpifaninana malagasy ity ary nahazo ny laharana faharoa na ny medaly volafotsy tamin’ny fifaninanana tao Namibie ny tenany.
Naharitra efatra andro izany fifaninanana, izany ary anisan’ireo sehatr’asa hafa handraisan’ny malagasy anjara ihany koa ny tao-trano sy ny asa vaventy ary ny tao-zaitra.
