ActualitésTatitra

Russie : Nanova fepetra famatsiana « gaz » an’i Europe ny filoha Vladimir Poutine

Nanao fanambarana ny filohan’i Russie, Vladimir Poutine ny herinandro lasa teo fa nanao sonia didim-panjakana nanery ny mpanafatra entona (gaz) handoa amin’ny « rouble » (vola ao Russie) ny entana izy. Efa nihatra nanomboka ny 1 aprily teo izany fanampahan-kevitra izany. »Mba ahafahan’ireo firenena tsy mifanaraka (inamicaux) misitraka entona natoralin’i Russie dia tsy maintsy manokatra kaonty ao amin’ny banky Russe izy ireo » hoy ity filoham-pirenena ity. Nanamafy izy fa raha misy ny tsy fahatomombanan’ny fandoavam-bola amin’ireo kaonty antsoina hoe « K » ireo dia tsy hanao asa soa izy ireo fa ho tapahina avy hatrany ny fifanarahana.Tsy niambahamba kosa i France sy Allemagne nandà io fepetra napetrak’i Kermlin io. Marihina fa 17% ny famatsiana an’i France dia avy ao Russie raha ny voalazan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Bruno Le Maire, nisahana 55% kosa izany tao Allemagne ny taona 2021 teo.

Laisser un commentaire