ActualitésTsidika

Anjeva Gara : Mangina tanteraka ny tsena rehefa alakamisy

Mangina tanteraka ny tsena alakamisy eto Anjeva Gara ny 9 desambra lasa teo. Betsaka ny mpivarotra, fa vitsy kosa ny mpividy, na dia efa ankatoky ny fetin’ny krismasy sy ny taom-baovao aza isika izao.

« Avereno eny ampovoan’anjeva io fa miroborobo be, fehezo tsara ny fahadiovana sy fandaminana ary ny fitaovam-pivoahana, fa tena handroso io tsena io raha izay no zava-misy. Kamo hiantsena mantsy ny olona ka mila sintomina » hoy i Haja, mponina eto Anjeva Gara.

« Anjeva Gara aza mba manana tsena, raha oharina ireo Kaominina hafa manodidina azy toy i Ambohimanambola sy Masindray ary Alasora izay tsy mba manana tsena isan-kerinandro tahaka izao, ka nahoana no tsy tonga indray ny mpividy » hoy i Alain, mponina ao Masindray. « Efa tsy manam-bola ihany koa ny mponina ka tsy manana hiantsenana. Ny sakafo aza efa manahirana, kanefa ny vidim-piainana efa miakatra. Any Anjeva rahateo ambanivohitra dia tsy manana vola isam-bolana antenaina ny mponina » hoy i Laza, mpianatra toe-karena eny Ankatso.

Efa manakaiky tokoa ny fety, ary efa tena kotaba tokao raha ny any andrenivohitra no resahina ; saingy mangina kosa ny any Anjeva. Nahoana no vitsy ny mpiantsena ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire