Tsidika

Distrikan’Antsohihy : Nindaosy ny fahafatesana omaly 22 Jona 2023 ny solombavambahoaka  Rémi na i Djao Jean

Nodimandry ny depiote Rémi izay voafidy tao amin’ny distrikan’ Antsohihy. Raha ny tantarany teo amin’ny sehatry ny pôlitika dia solombavambahoaka  nitondra an’Antsohihy nandritry ny  25 taona Itompokolahy. Voafididy ka nitondra nandritry ny fe-potom-pitondrana 5 ny tenany ary teo mbola am-perinasa no nindaosy ny fahafatesana.           

Raha ny fanazavana dia efa niaina tao anaty tsy fahasalamana ity solombavambahoaka nandritra ny fotoana maharitra i Rémi. Nandeha nitsabo tao amin’ny Nosy Maurice saingy tsy tana ny ainy. Arak’izany dia any amin’ny Nosy Maurice ny razana ary efa karakaraina ny fodiany eto an-tanindrazana.

“Ny Filohan’ny Antenimierampirenena , ny Birao Maharitra, ny Solombavambahoaka namany ary ny mpiara-miasa eto amin’ny Antenimierampirenena dia miara-ory amin’ny fianakavian’Itompokolahy Rémi antsoina ihany koa Djao Jean, voafidy tao Antsohihy, noho izao fahalasany izao” hoy ny avy amin’ny Antenimierampirenena.

“Very olomanga izahay eto Antsohihy very an’i depiote, ray aman-dreny nahavita be teto izy, ary tsy mbola nisy nahavita ny vitany hatramin’izay raha Antsohihy” hoy i Céléstin mponina any an-toerana.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire