ActualitésTatitra

Chine : Toeram-pisakafoana iray no nirehitra tao Yinchuan

Olona 31 isa no namoy ny ainy vokatra ny fahamaizana toeram-pisakafoana iray tao amin’ny tanànan’i Yinchuan, avaratra andrefan’ny firenena ny alarobia alina teo. Raha ny fanazavana dia « fuite de gaz » no niteraka fipoahana goavana tao amin’ilay toeram-pisakafoana ary niteraka fahamaizana.

Olona fito hafa kosa no naratra vokatr’io loza io raha ny tatitry ny manam-pahefana saingy efa voaray an-tanana avokoa. Ahihiana nefa ny ain’ny iray amin’izy ireo, may be ny roa, may kely kosa ny roa hafa ary naratra ny vakina fitaratra ny roa ambiny. An-polony kosa ireo mpamono afo tonga namehy ny afo ary nandamina ny manodidina ny toerana izay marihana fa maro toeram-pisakafoana sy toeram-pialam-boly hafa.

Ora vitsivitsy tao alohan’ny « Festival du bateau-dragon » izay ankalazaina isaky ny 22 jona kosa no niseho io tranga io. Fotoana izay hivorian’ireo tapaka sy namana ao Chine amin’ny toerana toy io nirehitra io.

Laisser un commentaire