ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Nisy ny hetsika fitsaboana manakaiky vahoaka tao amin’ny fokontany Antanetibe

Nahazo anjara tamin’ny hetsika ara-pahasalamana, ny mponina tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Ankadikely Ilafy. Noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny ministeran’ny fahasalamana izany.

« Ilaina ary tena manampy be amin’ny fanamaivanana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano ny fitsaboana manakaiky vahoaka maimaim-poana tanteraka » hoy ireo tomponandraikitra.

« Efa matetika no misitraka izany ny vahoakan’ny kaominina Ankadikely Ilafy fa tamin’ity indray mitoraka ity dia ny fokontany Antanetibe sy ny manodidina no nanatanterahana izany » hoy hatrany ny fanazavana.

Afa-po ny mponina nandritra ity hetsika ity. Nisy ireo nanao fizahana, tao ihany koa ireo nahazo fitsaboana. Tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny fitsinjovana ny ara-pahasalaman’ny mponina. Anisan’ny mifameno sy mifampiankina ireo.

Laisser un commentaire