ActualitésTsidika

Anjeva : Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny tanàna sy ny mpiara-miombon’antoka

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny tomponandraikitra miadidy ny tanàna an’Anjeva, ny ben’ny tanàna Haja Raoeliarison sy ny mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanatanterahana ireo tetik’asa ho fampandrosoana ny kaominina. Nisy ny fifanaovan-tsonia ho fitohizan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny governoran’ny Banky foiben’ny Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo.

« Nandritra ny fambolen-kazo 2023, nataon’ny BFM tety an-toerana, dia notohizana mandritra ny telo taona ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Notazomina ireo asa efa nisy teo aloha, ao anatin’izany, ary miampy tetik’asa sy tohana vaovao hafa » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva.

« Hita misongadina hatrany ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana ny kaominina, saika hita amin’ireo sehatra rehetra eto an-toerana izany ary hirariana mba hitohy hatrany hampisongadina ity kaominina ity » hoy i Andry, mponina ao Anjeva.

 Zava-dehibe eo amin’ny fampandrosoana sy fampivoarana ny kaominina ny fitadiavana firaha-miasa sy mpiara-miombon’antoka enti-manatanteraka ireo asa fampandrosoana ny kaominina. Tafiditra ao anatin’izay fiaraha-miasa izany avokoa moa ireo sehatra toa ny fambolena, ny fiarovana ny tontolo iainana,ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny maro hafa.

Manitra R.

Laisser un commentaire