Etats-Unis : Zaza 2 taona no hita faty teo am-bavam-boay
Zazalahy kely roa taona antsoina hoe Taylen no hitan’ny polisy tao Saint Petersburg, Floride efa tsy nisy aina intsony tao am-bavam-boay ny faran’ny herinandro teo. Raha tsiahivina dia efa roa andro tao alohan’io tranga io ity zazalahy ity no tsy hita. Tamin’io fotoana io ihany dia nisokatra ny « alerte Amber » tao an-toerana, izay mitovy amin’ny fanairana fakana an-keriny.
Raha tsiahivina kosa dia efa namoy ny ainy ny renin’io zaza io antsoina hoe Pashun Jeffery, 20 taona monja. Hita faty tao an-tranony, voatsatok’antsy im-betsaka izy ary raha ny fanazavan’ny polisy misahana ny raharaha, Anthony Holloway dia feno herisetra tanteraka ny namonoana io renim-pianakaviana io. Ny vadiny, Thomas Mosley kosa no voarohirohy amin’ny raharaha, ary efa voasambotry ny manam-pahefana. Vono olona roa no hiampangana an’ity farany, raha ny tatitry dia ny an’i Pashun Jeffery sy Taylen.
