Ambohimangakely: Nirotsaka an-tsehatra nanampina ireo lalana simba ny zandary
Nirotsaka an-tsehatra nanentsina vato ireo lalana simba sy feno lavaka tao amin’ny lalam-pirenena faharoa, mankany Ambohimalaza iny, ireo avy amin’ny zandarimariam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Maro ireo fiara lehibe tsy afaka amin’ny lalana ka miteraka fitohanana ao an-toerana ka nahatonga izao fandraisana andraikitra izao, araka ny voalaza.
« Tsy misy lalana izay tsy simba eto Madagasikara, na lalam-pirenena io na lalana fifamezivezena tsotra. Miteraka olana maro io ary mila mandray fepetra ireo tomponandraikitra voakasika » hoy i Rafidy, mpahay fiaraha-monina.
« Ny tena olana, lasa vonjimaika avokoa ireo fanamboarana misy ka tsy maharitra intsony ary mampitombo ny fahavoazana aza izany. Raha ny fanotofana tany sy vato no atao dia tsy ampy izany fa mila tetik’asa manokana ny mahakasika ireo lalana simba ireo » hoy i Fetra, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Olana iainan’ny rehetra amin’izao fotoana izao ny fahasimban’ny lalana sy ny vokatr’izany eo amin’ny fiainana andavan’andro. Hanaovana antso avo amin’ny tomponandraikitra araka izany ny fijerena ireo lalana ireo ary hitondra vahaolana maharitra amin’izany.
Manitra R.
