ActualitésTsidika

Toe-karena: Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC) hatao any Toamasina

Any Toamasina indray no hanakalazaina ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC) ny alarobia 15 marsta izao. Ny mahakasika ny angovo tsara kalitao sy ny herinaratra no hevi-dehibe entina hanakalazaina izany amin’ity taona ity.

“Fampizakan-tena ny mpanjifa amin’ny alalan’ny fiampitana any amin’ny angovo madio », izany no tanjona noraisina tamin’ity taona ity hankalazana izany andro manan-danja ho an’ny mpanjifa izany. Tsapa fa ambany dia ambany ny fahafahan’ny mpanjifa mahazo herin’aratra amin’ny vidiny ara-drariny. Hita ihany koa fa mirona bebe kokoa amin’ny fampiasana angovo mandoto ny tontolo iainana toy ny saribao sy kitay ny mpanjifa. Misy ny mpamokatra mbola tsy manaja ny lalàna fiarovana ny tontolo iainana amin’izany asa famokarana ataony izany. Izany rehetra izany no olana tokony ho vahaina”, hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.

Mbola maro no tsy mahafantatra ny tena hataon’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa ireo ka izany no ilaina ny fampahafanatarana eny anivon’ny haino aman-jery rehetra sy amin’ny hetsika toy izao. Miaraka amin’izany dia mangataka ihany koa i Havana, nisolo tena ireo mpanjifa hoe: “mila mipoitra tokoa izy ireo rehefa tena ilaina fa tsy hoe rehefa misy fety toy izao irery ihany. Matetika loatra ny fiakaran’ny entana ka amin’ireny izy ireo no ilaina hiasa”.

Mandritra io andron’ny 15 martsa io dia hisy ny fanabeazana ny mpanjifa ny amin’ny fanovana ny fanjifana ny herin’aratra. Hisy koa ny fampahatsiahivina amin’ireo mpanafatra entana ny lalàna velona mifehy ny fanjifana. Ho faranana amin’ny fidinana ifotony iarahan’ny MICC sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny fankalazana ny JMDC. Ny fotoana toy izao dia tokony mamoaka fiovana hita mivaingana satria izany no tadiavin’ireo Malagasy rehetra tsy vaky volo.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire