ActualitésSportTsidika

Alasora: Mitohy ny lalao fifaninanana baolina kitra “tournoi du maire 2023”

Mitohy ny fifaninanana baolina kitra ao amin’ny kaominina Alasora. Lalao telo no hiseho amin’ity faran’ny herinandro ity ao anatin’ny “tournoi du maire 2023” izay karakarain’ny kaominina.

« Taorian’ny fiaterahana ny lalao inter-communal, teo anivon’ny distrika dia miverina ary mitohy ny fifaninanana baolina kitra, tournoi du maire eto amin’ny kaominina. Tahaka ny mahazatra, amin’ny alahady izao no fotoana eny amin’ny kianja Est Mahazoarivo. Hanomboka amin’ny 09 ora maraina ny lalao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« hanomboka amin’ny 09ora maraina ny lalao izay hifanatrehan’ny fokontany Est Mahazoarivo sy Ambohimarina. Aorian’izay, amin’ny 11ora ny lalao hifandonan’ny fokontany Ampahibato sy Mahatsinjo ary mamarana io andro io ny lalao hifanatrehan’ny Ambodivondava sy Ambohidrazaka, izay hanomboka amin’ny 01ora tolak’andro » hoy hatrany ny fanazavana.

Mandroso dia mandroso raha ny lafin’ny ara-panatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Alasora. Taratr’izany ny fandraisana an-tanana sy ny fikarakarana fifaninanana tahaka izao. Anisan’ny manome lanja ny tanora ihany koa izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire