Seychelles : Mila tandrovana ny langouste
Nanao fanairana ny tompon’andraikitry ny jono ao Seychelles fa mihavitsy ny « langoustes » ka mila fehezina ny fitrandrahana azy. 2 taonina sisa ny langouste voajono tamin’ity taom-panjonoana 2021-2022 ity raha 6 taonina izany tamin’ny taona 2020-2021.
Efa mikaroka ny mety mitarika izany fihenanana ny tompon’andraikitra ao an-toerana saingy mandra-pahita izany dia noferan’izy ireo hatramin’ny volana febroary ny taom-panjonoana raha tokony hatramin’ny volana martsa. Ezahina averina an-dranomasina ihany koa ireo langoustes vavy izay mora fantatra nohon’ny fahatazanana ny atodiny ao amin’ny lamosiny.
