CEPE sy BEPC : Tsy andoavam-bola manomboka amin’ity taona ity.
Manomboka amin’ity taona ity dia ho maimaim-poana, izany hoe tsy andoavam-bola ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC. Efa nisy ny naoty nivoaka manambara izany ny alakamisy 8 febroary 2023 teo. Ho fifanampiana anefa dia anjaran’ireo Ray aman-dReny no mikarakara tanteraka ny antontan-taratasy ilaina amin’izany.
« Efa misy ny teti-bola natokan’ny minisitera natao ho an’ny farim-piadiadiam-pampianarana tsirairay avy. Tokony tsy hisy intsony araka izany ny ivon-toeram-panadinana sy fitsarana fanadinana hitaky vola. Hampihena ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny no tanjona amin’izany amin’izao fotoana efa sarotra izao » hoy ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophile.
« Tokony haparitaka ilay naoty milaza izany. Misy mantsy ireo tsy manaiky fa efa zatra na tsy miraharaha fotsiny tsotra izao izany teny midina izany. Haparitaka ho ren’ny rehetra amin’izay fotoana izay afaka samy handray andraikitra ny rehetra raha mahita tranga hafa mifanohitra amin’izany. Tsy hadino ny radio sy ny Télé sy ny fitaovan-tserasera rehetra », hoy i Tiana, Ray aman-dRenin’ny mpianatra.
Nivoitra tamin’ny fanazavana ihany koa fa anjaran’ny Ray aman-dReny tanetraka ny miantoka ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany. Miantso ihany koa ireo izay mahita tranga hafa mifanohitra amin’izany fa azo atao ny mitoroka satria azo lazaina ho kolikoly ihany koa izany.
Miora Raharisolo
