Alasora : Andalam-panamboarana ny kianja filalaovam-baolina Est-Mahazoarivo
Efa andalam-panamboarana ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Est-Mahazoarivo, kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. Araka ny voalaza, ny ampahany amin’ny asa fanamboarana ny kianja no efa vita, izany hoe ny fandrakofana bozaka izany kianja izany.
« Manome lanja ireo tanora mpitia ny fanatanjahan-tena, indrindra fa ny taranja baolina kitra ny fandraisana an-tanana ny fanamboarana kianja tahaka izao, izay hisaorana feno ireo tomponandraikitra amin’ny fikarakarana tanteraka fa anisan’ny ilain’ny tanora indrindra fa ny ety anivon’ny fokontany izao » hoy i Sely, mponina ao amin’ny fokontany Est-Mahazoarivo.
« Raha vao vita ny kianja tokony samy manao ezaka amin’ny fikojakojana izany avokoa ny tsirairay izay mampiasa izany, ary tokony samy entitra amin’ny fanajana ny fananana iombonana tahaka izao satria sady manome endrika ny tanàna izao no manome sehatra ny fanatanjahan-tena » hoy i Fidy, mpanao baolina kitra.
Anisan’ny manome lanja ny fanatanjahan-tena sy fikarakarana ny tanora ny kaominina Alasora, taratr’izany izao fanamboarana ny kianja filalaovam-baolina izao, izay marihana fa kianja filalaovana ho an’olona 11. Ny fikojakojana sy ny fanajana izany kosa dia andraikitry ny isam-batan’olona.
Manitra Ramanantsoa
