France : Fernand Lopez, mpanazatra nitondra ambony mpikatroka MMA maro
Teraka ny 12 novambra 1978 tao Lekié, Cameroun i Fernand Lopez. Efa nikatroka MMA ary mpanazatra eo amin’izany taranja izany amin’izao fotoana. Anisany nahafantarana azy ny fananganana ny MMA Factory izay kianja mitafo hikatroana MMA lehibe indrindra ao France.
Nitondra ambony mpikatroka MMA maro i Fernand Lopez. Anisan’izany ilay tompondakan’ny « poids lourds » ny UFC Francis Ngannou sy Ciryl Gane. Toy ny amin’ny fanatanjahantena ady maro dia olona mahatonga ny mpikatroka iray hisandratra ny mpanazatra. Mikarakara fifaninana ihany kosa i Fernand Lopez. Ho tontosaina androany 2 septambra ny andiany fahavalo amin’ny « Arès » izany karakarainy. Andrasana ihany koa izy amin’ny UFC Paris ny 3 septambra izao.
