ActualitésTsidika

Arivonimamo : Fasana miisa no 3 vaky

Raha nangingina teo aloha ny vaky fasana dia miverina indray izany ankehitriny. Ankoatra ny halatra omby izay mirongatra ao amin’ny distrikan’Arivonimamo dia manararaotra mamaky fasana ihany koa ireo jiolahy. Fasana miisa telo (03) no vaky tao Antanimasaka, kaominina Ampahimanga Arivomamo, ka razana tsy latsaky ny 16 no lasan’izy ireo ary mbola misy tsy hita popoka ihany koa.

« Tsy milamina intsony mihintsy ny tany ary tsy hita izay anaovana ny mponina fa tena mihorohoro ary mataotra mafy izy ireo nohon’ny tsy fahandriam-pahalemana, eny fan a izahay ihany koa aza dia lasa manahy mafy ny zavatra mety mbola hiseho » hoy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny kaominina. « Mijaly izahay, tsy mandry andro tsy mandry alina nohon’ny tsy fahandriam-pahalemana, izao dia very ihany koa ny razan’ireo fianakavianay ary ontsa tanteraka ny fo » hoy ireo olona vaky fasana. « Manao antso ireo mpitandro filaminana ny mba handray an-tànana izao rahara izao fa tena mijaly izahay mponina » hoy i Vola mponina eny an-toerana.

Maro ireo mitaraina saingy mbola tsy voasambotra hatreto ireo tambajotra mpikirakira taolam-paty. Efa eo ampelatanan’ny manampahefana ny raharaha ankehitriny ary andrasana ny valin’ny fanadihadiana. Mihezaka hatrany ireo mpitandro filaminana ny mikaroka vahaolana manoloana ny zava-misy.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire