SocialTatitra

Russie : Fanentanana ny vahoaka hanao vaksiny amin’ny fomba hafakely

Miezaka hatrany amin’ny fanentana ny vahoaka ao aminy hanao vaksiny ny firenena rehetra amin’izao. Tsy dia fahita kosa ny zava-misy ao Russie amin’izao satria lalao ankitsapaka ho an’ny loka goavana no atolotra ireo vahoaka izay manao vaksiny. Namorona akitsapaka lehibe ho an’izay manao vaksiny ny ben’ny tanànan’i Moscou, Serguei Sobianine. Fiarakodia mitentina 11 500 Euros no loka mandritra izany. Etsy an-daniny koa, Nanolotra trano hatao akitsapaka ihany koa ho an’ny mpanao vaksiny ny mpitondra ao Moscou. Ity kosa dia ho an’izay nanao vaksiny nanomboka ny 15 Jona hatramin’ny 20 Jona. Isan’ireo firenena tena niparitahan’ny COVID tokoia mantsy i Russie raha 5 208 687 no tranga hita ka 126 430 no lavo nandritra ny nisian’ny valan’aretina.

Laisser un commentaire