ConseilTsidika

Savanna Spice : Mivarotra vokatra natoraly

Natoraly sy voafantina avokoa ny vokatra avoakan’ny Savanna Spice. Mety amin’ny fahasalamana, ary tsy misy akora simika. Tsara ny kalitao, ary maro isankarazany. Ny Savanna Spice irery ihany ny mamokatra izany. Avy any amin’ny tantsaha mpamokatra mihitsy ny akora ampiasainy. Voly fanondrana izay tsy dia fahita eny antsena no tena misy ao aminy. Mivarotra hanitra isankarazany fanao amin’ny sakafo Ny Savanna Epices. Ao koa ny huiles esentielles, voankazo nohamainina, confiture, tantely, menaka voanio tsy mitapoka. Miavaka sady kanto ny fonosan’ny vokatra.

Hita ao amin’ny Hotel Colbert ny Savanna Spice.

Laisser un commentaire