Maroc : Hanokatra ny sisin-tany ho an’ny vahiny
Hanokatra tsy ho ela ny sisin-taniny ho an’ny mpandeha iraisam-pirenena i Maroc. Hisokatra avokoa ny zotram-piaramanidina sy ny ny an-dranomasina manomboka ny 15 Jona izao hoy ny Minisitry ny raharaham-bahiny any an-toerana. Misy kosa anefa ny fitsipika napetraka, Tokony ho vita vaksiny avokoa ny mpitsidika ny firenena rehetra na mampiseho valin’ny fitiliana “PCR” mampiseho fa tsy mitondra ny Sars-cov-2. Mila manana fahazahoan-dalana manokana kosa ireo olona avy any amin’ny firenena mbola betsaka mararin’ny valan’aretina ka voamarina fa tsy mitondra ny aretina. Mizara lisitra roa ny firenena ary samy manana fitsipika samihafa alohan’ny hidirana ao. Lisitra A no misy ireo firenena efa lefy ny aretina toy ny avy ao Europe raha ny lisitra B kosa no misy ireo firenena mbola anjakan’ny aretina toy i Inde, Argentine sy ny firenena Afrique atsimo. Ireo voasokajy ao anatin’ny lisitra A dia mila manana porofo manamarina fa vita vaksiny na valin’ny fitiliana PCR mampiseho fa tsy mitondra ny tsimok’aretina coronavirus. Ny avy ao amin’ny lisitra B kosa dia mila manana fitiliana PCR tao aantin’ny 48 andro miiba sy ho atoka-monina mandritra ny 10 andro aloh avao afaka mivezivezy. Efa nanalefaka ny fepetra anatiny kosa I Maroc amin’izao raha efa nahavita vaksiny maherin’ny 5 tapitrisa fatra. Miisa 521 426 ny tranga hita tany an-toerana raha 9 178 no lavon’ny aretina.
