Minisitry ny serasera sy ny kolotsaina
27 Aprily, 11h40. Nanaiky ny fangatahan’ireo haino aman-jery manana fandaharana voakasiky ny fampiatoana ny minisitry ny serasera sy ny kolotsaina. Nandefa taratasy tany amin’ny minisitera izy ireo, ary nifampidinika niaraka tamin’ireo minisitera nanao sonia ny eo anivon’ny serasera. Vonona ny hifanome tanana amin’ny fanentanana amin’ny ady amin’ny coronavirus kosa ireto haino aman-jery ireto.
