ActualitésTatitra

Comores : Tontosa ny tsenabe voalohany mikasika ny asa tanana tao Mutsamudu

Tontosa ny herinandro lasa teo ny foara artisanaly voalohany tao Mutsamudu izay naharitra dimy andro ary nandraisana mpanao asa tanana 36 isa anjara. Maro ireo vokatra namidy nandritra izany, toy ny zaitra, sakafo, vokatra « cosmétique », fandrafetana, fanodinana ary « agronomie ». Ankoatra izany nefa dia nisy ihany koa ny fanehoana sora-dia sy hira nentim-paharazana nandritra io fotoana io.

Ny Adata (Association pour le développement des artisans et du tourisme d’Anjouan) no nikarakara io hetsika io ary tanjona tamin’izany ny fampiroboroboana ny vokatra sy ny talentan’ny  nosy hoy ny mpikambana, Sittina Echat Assadi.

Laisser un commentaire