ActualitésTsidika

Anjeva: Fandaharan-dalao amin’ny kitra fokontany mandritra ny faran’ny herinandro

Hisy ny lalao kitra Fokontany, ao amin’ny kaominina Anjeva mandritra ity faran’ny herinandro ity. Ao amin’ny kianja Morarano Faliary no hanatanterahana izany, izay lalao ampahavalon-dalana, handraisan’ireo klioba maro avy ao an-toerana anjara.

“Ho an’ny rahampitso sabotsy 09 martsa, manomboka amin’ny 2ora tolakandro; ny FCA Ampahamasina hifandona amin’ny Anjeva Tanàna FC. Hitohy ny alahady ny lalao. Manomboka amin’ny 12ora atoandro ny lalao hihaonan’ny CFF Faliary sy ny FC Tim Imerikiasinina ary amin’ny 2ora ny Interpool Anjeva hihaona amin’ny BE-Tan Antanetibe” hoy ireo mpikarakara.

“Efa ela no niandrasana izao lalao izao. Hisaorana ny mpikarakara satria tsy mora raha ny fikarakarana ny lalao fifaninanana kitra eto an-toerana noho ny zava-misy eo amin’ity taranja ity. Mila ny fanohanana avy amin’ny rehetra anefa izany raha te hampandroso hatrany ity taranja ity” hoy I Fidy, mpilalao baolina kitra.

Laisser un commentaire