Anjeva : Nisy ny ezaka fanamboarana sy fanoloana ireo tetezana fivezivezin’ny mponina
Manao ny ezaka fanamboarana sy fanoloana ireo tetezana fivezivezen’ny mponina, ao anatin’ny fokontany folo mandrafitra ny kaominina Anjeva, ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ny mpiara-miasa aminy. Nandeha teny an-tsehatra izy ireo, nitety ireo fokontany ary nijery ny zava-misy teny an-toerana.
« Miezaka isika mamboatra tetezana beton ireo tena fivezivezen’ny olona ao anatin’ireo fokontany 10 ato anatin’ny kaominina, ilaina indrindra izany mba hanamora ny fifezivezena sy ny fampiasana lalana ho an’ny mponina » hoy ny ben’ny tanàna.
« Anisan’ny nampijaly, ary nanahirana, indrindra ho an’ireo manana olana ara-pahasalamana amin’ny resaka tosi-drà, ny nampiasa ireo tetezana, taloha. Ankehitriny isaorana ireo tomponandraikitra nitondra fanamboarana, nanana fahasahiranana ho an’ny vahoaka” hoy i Liva, mponina ao Anjeva Gara.
Sarotra tokoa ny fampiasana ireny tetezana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ireny, indrindra fa rehefa tsy misy ny aro-fanina ho an’ny mpampiasa azy. Misy ny mianjera anaty tatatra mihitsy. Ilaina ny fanoloana sy fanamboarana azy ireny, indrindra mba hazaka vesatra maro ho an’ny mpivezivezy sy mba haharitra.
Manitra Ramanantsoa
