Phillipines : Nahafaty olona 28 ny rivodoza Megi
Nisedra rivo-doza naheriy vaika i Phillipines ny alatsinainy teo. Olona 17 000 no fantatra fa niala ny trano fonenany noho ny tondra-drano sy ny tsy fisian’ny herinaratra. Ny faritr’i Leyte kosa no tena voakasin’ny rivodoza ary fantatra fa olona 22 no maty noho ny fihotsahan’ny tany tamin’ny tanana maromaro tao an-toerana ary 27 ny olona tsy hita.Nitohy tao amin’ny faritra afovoany sy atsimon’i Phillipines kosa ny fikarohana ny talata telo ka tafiakatra 28 ny isan’ireo maty noho io rivodoza. Tao samin’ny faritr’i Negros Oriental ny telo tamin’ireo ary tao amin’ny nosy « méridionale » ny Mindanao ny telo hafa.Rivodoza nahery vaika voalohany niseho tao Philippines tamin’ity taona ity ny rivodoza Megi izay antsoin’ny mponina ao an-toerana hoe « Agaton ».
