Etats-Unis : Hiala eo amin’ny fitantanana ny Twitter i Elon Musk
Hatramin’ny nividian’i Elon Musk ny tambajotra sosialy Twitter dia nitondra fiovana maro tao amin’izany izy. Anisany ny fandroahana mpiasa, ny famerenana kaonty efa nofoanana, ny fanafoanana kaontina mpanao gazety ary ny fikasana fampandohavana « abonnement » ao amin’ny tambajotra.
Niteraka fanakianana sy resa-be maro izany fanampahan-kevitr’i Elon Musk izany ary tao anatin’ny roa volana dia « annonceur » maro no niala. Manoloana izany dia nanao fitsapan-kevitra io tompon’ny Twitter io raha tokony hiala eo amin’ny fitantanana izany. Nankatoa izany ny 57% ny olona 17 tapitrisa mampiasa ny Twitter ka nanao fanambarana i Elon Musk ny 20 desambra teo fa hiala eo amin’ny fitantanana rehefa mahita olona hisolo azy.
