Gaza : Olona 20 matin’ny fitifirana teo am-piandrasana ny fanampiana ara-tsakafo
Nanao tatitra ny minisitry ny fahasalamana ao Hamas, ny faran’ny herinandro teo, fa olona 20 no maty ary 155 no naratra vokatry ny fitifirana niseho tao amin’ny faritra avaratr’i Gaza. « Nikendry ireo olona nivorivory niandry ny fanampiana ara-tsakafo ireo tafika israelianina » hoy ny loharanom-baovao tany an-toerana. « Nisy tifitra mivantana avy amin’ireo tafika ary nifanitsy tamin’ny olona izay nitangorona teo amin’ny « rond-point » Koweït izany. Ireo olona ireo moa mba hiandry ny fahatongavan’ireo kamiao mitondra ny fanampiana ara-tsakafo » araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny fahasalamana. Tao an-toerana, nisy tokoa ireo olona maty, ary naratra voan’ny bala. Sarotra ny fanatanterahana ny fanomezana fanampiana ara-tsakafo ny mponina ao Gaza amin’izao fotoana. Mitady ireo lalana rehetra ahafahana manome izany ny mponina izay hianjadian’ny hanohanana anefa ny avy amin’ny firenena mikambana. Etsy andanin’izany anefa, nolavin’ny tafika Israeliana anefa ity filazana fitifirana ity. Nanambara ny avy amin’ny tafika Israelianina fa tsy marina io filazana fitifirana io ka tokony hamotopototra tsara ireo tomponandraikitra.
