Sport

Maurice : Antotan’isa nivoaka ny 09 aprily 2021

Nahitana tranga vaovao indray tao Maurice izay miisa 12 izy ireo raha araka ny tatitra nivoaka ny 09 Avrily 2021. Ankehitriny, tafiakatra 551 tranga hita tany an-toerana. Raha mitôtaly 140 ireo tafavoaka soa aman-tsara tamin’ny valan’aretina COVID-19 ka sitrana. Mbola misy 405 araka izany ireo tsaboina amin’izao fotoana izao. Hatreto aloha, enina ny lavo vokatr’ity aretina ity. Efa natao « Quarantaine » avokoa ireo tranga hita miisa 12 ireo mba hanarahana maso akaiky ny fahasalamany. Mihamafy kosa ny fanajana ny fepetra any Maurice ka tsy mitsahatra manara-mason’ny vahoaka ny mpitandro filaminana. Entitra ny sazy ho an’izay tratra ka mety hampigadra hatramin’ny dimy taona mihitsy aza izany.

Laisser un commentaire