Maurice: Hanokatra ny sisin-tany ho an’ny fizahan-tany
Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny daty hisokafan’ny sisin-tany ho an’ireo mpizaha tany any Maurice. Manomboka ny 15 jolay izao, afaka miditra amin’ny faritanin’i Maurice ireo mpizahan-tany vita vaksiny. Na izany aza anefa, tsy maintsy mihiboka any amin’ny trano fandraisam-bahiny mandritra ny 14 andro aloha izy ireo aorian’ny fahatongavany any an-toerana. Ny mpizaha tany ihany aloha araka izany no afaka mitsika an’i Maurice manomboka io daty io fa aorian’ny 1 oktobra kosa vao misokatra ho an’ny daholobe ny nosy noho ny fandaminana manoloana izao aretina izao.
