Alasora: Olona iray safotra vokatry ny fitrifan’ny omby teny amin’ny toeram-pamonoana omby
Olona iray, mpivarotra voanio (coco) teny amin’ny manodidina ny Domaine, Alasora no safotra, rehefa niezaka nitsoaka ka nianjera niaraka ny coco amidiny, vokatry ny fitrifan’ny omby ho vonoina tao amin’ny Abatoire Ankadindratombo. Araka ny voalaza, niniana nataon’ireo mpandroaka omby ny fampasiahana ireo biby ka mahatonga ireo biby hitrifana.
“Efa tsy rariny raha ny zavatra ataon’ireo mpandroaka omby eo amin’ny toerana famonoana omby ireo. Tsy vao izao no nahatsikaritra izany fa matetika dia fanahy inian’izy ireo ny mandroaka ary mampasiaka ireo omby ka mahatonga ireo biby hitrifana sy hanaitra olona amin’ny lalana” hoy i Nomena, mponina ao Alasora.
“Amin’ny tranga tahaka izao, tomponandraikitra avokoa na ireo lehiben’ireo mpandroaka omby na ireo manam-pahefana. Satria efa tanàna mandroso ny kaominin amin’izao fotoana kanefa ireo omby ihany koa maro mety hitera-doza ho an’ny hafa ka mila handraisana fepetra” hoy i Liva, mpivarotra eo amin’ny manodidina.
Mety hitera-doza ny vokatry ny tandrevaka kely. Mangataka ny hametrahana fandaminana sy fanaraha-maso, araka izany ireo mponina, indrindra fa ireo mpampiasa ny lalana isan’andro. Efa maro ireo voa sy mitondra takaitra vokatry ny fitrifan’ny omby teny an-toerana.
Manitra R.
