ActualitésTsidika

Anjeva : Nahazo ny anjarany tamin’ny fiofanana haimofo ny vehivavy tao an-toerana

Tontosa soa aman-tsara ny fanofanana ireo vehivavy, tamin’ny alalan’ny Association Miotisoa, tao amin’ny kaominina Anjeva gara. Fahombiazana hatrany ny hitan’ny fikambanana nandritra ny fanatantrrahana ny fiofanana, raha ny voalaza.

« Anisan’ny kaominina lavitra tokoa ny kaominina Anjeva. Na izany aza anefa, nahazo ny anjarany tamin’ny fampiofanana maimaim-poana ireo vehivavy teto an-toerana, ireto farany izay niandry fatratra ny fampiofanana » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

« Hankasitrahana ny fikambanana nitondra ny fampiofanana teto an-toerana. Nahazoana fahalalana, fahaiza-manao ary traikefa efa amin’ny fanamboarana mofo mamy. Zava-dehibe eo amin’ny maha renim-pianakaviana sy ny maha vehivavy ny fahaizana izany » hoy i Tiana, mponina ao Anjeva gara.

Ny hizara fahalalana ho an’ny vehivavy, ahafahany mampitombo fahalalana sy mampivelatra ny fihariany no tanjon’ny fikambanana Miotisoa amin’ny fanomezana fiofanana, isaky ny kaominina ao amin’ny Avaradrano izao. Mbola hitohy hatrany izany fanomezana fiofanana izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire