Omena fiofanana ireo mpisehatra amin’ny cacao
Anisan’ny manana ny vokatra cacao tsara indrindra i Madagasikara. Araka ny navoakan’ny vondrona iraisam-pirenena amin’ny cacao (ICCO), ny cacao eto Madagasikara no anisan’ny safidy voalohan’ireo manampahaizana sy traikefa maneran-tany voalohany noho ireo vokatra avy eto amintsika tsy mbola mifangaro simika ary ara-kalitao kokoa.
Manoloana izany indrindra, misy ny programan’asa izay hanomezana lanja ny vokatry ny cacao malagasy, dia ny hampitombo ny hatsaran’ny kalitaony hatrany. Araka izany, misy ny tetikasa izay atolotry ny sekoly mifototra amin’ny sôkôla, entina hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra rehetra amin’ity sehatra ity, amin’ny alalan’ny Tahirim-bolam-pampiofanana arak’asa Malagasy (FMFP). Ity farany izay nanome famatsiam-bola mitentina 50 tapitrisa ariary mahery.
Mandray anjara betsaka amin’ny toekaren’ny firenena ny vokatra cacao eto Madagasikara. Ity sehatra ity izay mampidi-bola hatramin’ny 23 tapitrisa dolara, ny taona 2022, noho ny fanondranana cacao tsy mbola voahodina milanja 15.000 taonina, araka ny nambaran’ny fikambanana misehatra amin’ny cacao eto Madagasikara (GACM).
