PolitiqueTatitra

Palestine : Maty noho ny fanafihana israelianina ny kaomandin’ny Djihad Islamique

Tsy ao Gaza ihany no misy ady any amin’ny faritr’i Proche Orient. Ny alarobia teo, ny kaomandin’ny tafika Djihad Islamique dia maty vokatry ny fanafihana nataon’ny tafika Israelianina, tao Jénine, tanàna iray any avaratr’i Cisjordanie. Ankoatra azy, olona hafa roa ihany no maty tao anatin’izany fanafihana izany. Araka ny fanambarana avy amin’ny tafika israelianina, « aéronef » iray no namely ireo mpanatanteraka miisa ao amin’ny Djihad islamique tao anaty fiara. Ny iray tamin’izy ireo, Ahmed Barakat, izay voampanga ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana nahafaty Israelianina, nipetraka tao amin’ny tanàna iray akaikin’i Jénine, ny volana mai 2023, dia maty. Ary olona roa hafa izay nanomana fanafihana mampihorohoro amin’ny Israely ihany koa dia maty. Ankoatra ireo olona maty ireo dia olona iray hafa ihany koa no naratra nandritra izany fanafihana izany, araka ny nambaran’ny ministera misahana ny fahasalamana ao Palestine.

Laisser un commentaire