ActualitésTsidika

Androm-pirenena ho an’ny kalitaon’ny rivotra : mbola tanàna maloto rivotra Antananarivo

Nilaza ny avy ao amin’ny OMS fa 91% amin’ny mponina maneran-tany no miaina ao anatin’ny rivotra maloto, ka 12% amin’ny tanàna eran’izao tontolo izao no mba manana kalitaon’ny rivotra madio.

Tafiditra ao antin’ilay tanàna miaina ao anatin’ny rivotra maloto i Antananarivo. Ny fahalotoan’ny habaka no voamarina fa anton’ny 31,3% amin’ny fahafatesana raha ny nambaran’ireo misahana eo amin’ny fahasalamana sy ny loto eo Madagasikara. « Efa mihoatra ny 25 microgrammes/m3 No kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo hoy ny OMS raha toa ka nahitana fiakarana 81microgrammes/m3 izany ny janoary 2021 lasa teo, izany hoe niakatra avo telo heny be izao » hoy ireo manam-pahaizana.

Maro ny antony mahatonga izany fahaloton’ny rivotra izany : ny doro tanety, ny fanaovana biriky, ny fandorana fako, ny entona avoakan’ny fiara sy ny setroky ny indostria. « Maro ny mampiasa ny fiara efa taloha be ka mamoaka entona betsaka sy efa kadroaka eto aminstika ka mahatonga ny fahalotoan’ny rivotra » hoy i Andry, mpianatra miaro ny tontolo iainana ao amin’ny Klioba Vintsy.

Marihina fa ny 15 septambra teo no andro nanamarihana ny androm-pirenena ho an’ny kalitaon’ny rivotra izay nahafahana nanome lanja ny tokony hahatongavan-tsaina amin’ireo hetsika fandotoana ny rivotra. Miankina betsaka amin’ny rivotra tokoa mantsy ny fahasalaman’ny rehetra koa aoka samy hisoroka amin’ny fahaloton’ny rivotra ny rehetra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire