Turquie : Toarana miavaka ny « Pamukkale »
« Pamukkale », midika hoe « château de coton » no iantsoana ity toerana ao Turquie ity. « Tufière » misy rano mafana avy any amin’ny tendrombohitra eo amin’ny 36° eo izy ary misy mahatratra hatramin’ny 45°. Misy sira mineraly sy « gaz carbonique » kosa nefa ny sasany amin’izy ireo. Mampiavaka io toerana io ihany ny loko fotsy, izay nahatonga io anarana io. Raha ny tantara ao an-toerana dia mitondra fahasitranana io rano io. Anisan’ireo antony mahamaro ny mpizaha tany ao an-toerana izany, azo tsidihina maimaimpoana mantsy ny toerana ary efa mahatratra an’arivony ireo tonga mitsidika izany isan-taona.
