ActualitésTatitra

Etats-Unis : Sekoly maromaro voaroba noho ny « challenge » vaovao ao amin’ny TikTok

Anisan’ny malaza ao an-toerana ny fanaovana ny fanamby avoakan’ny TikTok na ny « challenge ». Ny « The Bathroom Challenge » sy ny « The Devious Licks Challenge” no tena miparitaka ao an-toerana amin’izao fotoana ary lasibatr’izany ny ankahamaron’ireo sekoly.Mamporisika ny olona handroba ny toeram-pivoahana ny « The Bathroom Challenge » ka simbain’ireo mpianatra ny fitoeran-tsavony, ny taratasy fifafana, ny fitaratra sy ireo fitaovana ao amin’ny toeram-pivoahan’ny sekoly. Ny « The Devious Licks Challenge” kosa dia mamporisika ny hangalatra tsotra izao fitaovana sendra ny tànana ao amin’ny sekoly, misy mahavita mangalatra hatramin’ny solosaina sy « imprimante » mihitsy.

https://www.youtube.com/watch?v=WgzwSuAOIm4

Laisser un commentaire