Ambohimanambola : Mitohy ny hetsika fametrahana ireo jiro amin’ny fokontany hafa
Mitohy ny hetsika fametrahana ireo jiro amin’ny fokontany hafa ao anatin’ny kaominina Ambohimanambola. Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ny ministeran’ny angovo sy ny akoranafo, ny solombavam-bahoaka amin’ny faritra avaradrano ary ny kaominina, dia ny hanomezana hazavana ho an’ny rehetra.
“Taorian’ny Fokontany Ampahimanga, Ambohimanambola Gara, Ambohipeno, Iharamy dia ny Fokontany Tanjonandriana indray no nisitraka ireo jiro manazava ny lalana izay mandeha amin’ny herin’ny Masoandro” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
“Mitohy hatrany ny fijerena ireo toerana mety hametrahana ireo Jiro sy ny fanaovana fifanarahana amin’ny tompon-trano ho fiarovana ny fananana iombonana” hoy hatrany izy ireo.
“Ilaina dia ilaina ary tokony hasiana jiro avokoa ny elakelan-trano rehetra. Anisan’ny tombony amin’ny fananana azy rehefa tapaka ny jiro avy amin’ny jirama, mba mitohy ny hazavana fa tsy maty ireo mandeha amin’ny herin’ny masoandro” hoy I Holy, mponina ao Ambohimanambola.
Anisan’ny manavotra ny mponina amin’ny haizinana hateraky ny delestazy, indrindra amin’ny hariva ny fametrahana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireo. Ilaina araka izany ny fanentanana ireo mponina mba hanaja ireo fananana iombonana ireo, indrindra ny fiarovana amin’ny mpangalatra. Miisa 7 ireo “lampes solaires” no efa very tao anatin’ny enim-bolana, araka ny voalaza.
Manitra Ramanantsoa
