Fampianarana : Nisy fanomezana avy amin’ny Ambasadaoron’i Inde
Nisy ny fanolorana ny fanomezana avy amin’ny Ambasadaoron’ny Inde, Abhay Kumar nandritra ny fihaonany tamin’ny Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Marihina fa efa nampanantena ny hanome ireo fanomezana ireo ny Ambasadaorin’ny Inde tamin’ny volana jolay lasa teo ka izao notanterahiny izao, ny vola aogositra no natolony ireo fanomezana ireo.
Tao amin’ny lapan’ny tanàna Mahazoarivo no nontontosaina izany, bisikileta Miisa 15 000 ho an’ny mpampianatra sy mpianatra moa ny fanomezana natolony tamin’izany, ary nanatrika ny lanonana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena. Natao izao mba hanamafy orina ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta no sady nifanojo amin’ny faha-75 taona nahazahoan’ny Inde fahaleovan-tena ihany koa ny 15 aogositra, hoy ny Ambasadaoron’ny Inde.
Famenontsoa Rajerison
