ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fananganan-tsaina sy ny fanentanana amin’ny fampanajana ny fepetra sakana ara-pahasalamana

Notanterahina ny 22 novambra teo ny fananganan-tsaina sy ny fitondrana am-bavaka ny asa rehetra eo amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy izay efa fanao isaky ny alatsinainy. Nohamafisin’ny ben’ny tanàna nandritra io ny tokony hanajana hatrany ny fepetra ara-pahasalamana manoloana ny fisian’ny fiakaran’ny tranga eto amin’ny firenena.

« Isika eto amin’ny kaominina aloha no tena fitaratra voalohany amin’ny fanajana ny fepetra sakana ara-pahasalamana avy eo manaraka ny mponina rehetra eto Ankadikely Ilafy » hoy ny ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Miara-mientana isika rehetra amin’ny fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana arotava, na aiza alehantsika, sy ny fanasana tanana matetika ary ny fampiharana ny elanelana » hoy kosa ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

« Mila miaro tena tokoa isika satria tsy ho tantintsika mihitsy ny hiverina amin’ny fihibohana tahaka ny teo aloha » hoy i Herilanto, mponina any Ankadikely Ilafy. Manomboka miverina indray izao ny fanentanana isan-karazany amin’ny fampanajana hatrany ny fepetra ara-pahasalamana raha toa ka nangingina izany teo aloha. Tandindomin’ny andiany fahatelo amin’ny covid-19 indray isika eto Madagasikara satria efa atsy amin’ny nosy Maorisy ny Variant Delta ka atahorana ho tonga eto amintsika raha tsy misy ny fandraisana andraikitra amin’ny fanjakana sy ny tsirairay.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire