ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitady mpiamily fiara vaventy ny kaominina

Tena ilaina indrindra amin’ny fanadiovana ny tanàna ny mpamily ireny fiara vaventy ireny ao Ankadikely Ilafy. Mitady mpamily fiara vaventy noho izany ny kaominina.

« Tsy mihoatra ny 35 taona ny mpamily tadiavinay. Manana traikefa efa 5 taona farafahakeliny. Azo aterina ety aminny Biraon’ny kaominina alohan’ny 31 janoary ny antontan-taratasy » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina.

« Manampy betsaka amin’ny fahadiovan’ny tanàna tokoa ny fisian’ny fiara vaventy tahaka ireny. Manampy betsaka ny tanora hanana asa ihany koa ny tolotra tahaka izao » hoy i Feno, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Manampy betsaka amin’ny fisian’ny asa ny tolotra alefa toy ireny. Ilaina tokoa izany eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Raha samy mahay mamorona asa tokoa mantsy isika. Ho foana hatreo ny tsy fisian’ny asa » hoy i Christian, mpandraharaha.

Ny mponina ao anatin’ny Kaominina aloha no hanaovana ny antso avo voalohany. Tsy tokony hifidy asa intsony isika amin’izao fiainana efa lafo izao. Azo atao ihany koa anefa ny mamorona asa araka ny fahaiza-manaony avy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire