ActualitésTsidika

Tanora : manolotra fiofanana mianatra sakafo ny BTC Ambohimangakely

Tsy mitsahatra manome fiofanana ho an’ny tanora ny BTC Ambohimangakely amin’izao fotoana izao. Mikarakara fampianarana sakafo amin’ny endriny rehetra ny BTC Ambohimangakely amin’izao. « Afaka misoratra anarana ao amin’ny pejy BTC na manantona mivantana eny Ambohimangakely izay liana amin’ny fianarana sakafo. Mirary tokoa raha mitaha ny fahaizana ho azo, ny saram-pianarana. Natsangana ny BTC mba hanampiana indrindra ny tanora” hoy i Diamondra, mpikambana ao amin’ny BTC Ambohimangakely. “Betsaka ny fiofanana hita ato amin’ny BTC. Saika hita ao avokoa ny fiofanana rehetra toy ny fianarana sakafo, fianarana Pizza, ny dihy sy ny maro hafa. Tena ahitana hetsika maro ihany koa ao. Tena tombony lehibe eo amin’ny tanàna ny fisiany” hoy i laurette, tanora ao Ambohimangakely. “Efa nisoratra anarana tao amin’ny BTC amin’ny fianarana Pizza aho. Ahafahako manana asa ho an’ny tenako manokana izany. Faniriako hatrizay ny hanagana toeram-pisakafoana ahy manokana. Efa nahay sakafo aho saingy tiako halalinina kokoa izany” hoy i Fredeline, mpianatra efa nisoratra anarana tamin’ny fampianarana sakafo tao amin’ny BTC. Saika hita ato amin’ny BTC tokoa ny fiofanana arak’asa manampy ny tanora. Eo ihany koa ny fanampiana fitrandrahana talenta toy ny fampianarana manao sary, mandihy, manao asa tanàna isan-karazany. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire