ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana : Zaza menavava efa tsy misy aina intsony hitan’ny mponina

Zazalahikely menavava iray no hitan’ny mponina vao maraina teo ivelan’ny ny vavahadin’ny kaominina tao Sabotsy Namehana, omaly alakamisy. Tsy fantatra mazava ny anton’ny zava-niseho sy ny mahakasika ny olona nahavanona ny loza. Araka ny voalaza, vao teraka kely ity zaza hita nisy nanary ity ary efa tsy nisy aina intsony.

« Manameloka tanteraka ny tranga tahaka izao ny fiaraha-monina Malagasy. Fitahiana sy fahasoavana ny fahazoana taranaka teo amin’ny malagasy ka tsy rariny ny famonoana na nanary ny menaky ny aina » hoy i Anja, mpandala ny mahamalagasy.

« Tsy matahotra ny atao hoe tody eo amin’ny fiainana ny reny mahavita manao izao. Amin’ny malagasy anefa dia tena misy izany. Tsy manan-tsiny ny zaza ary tsy nisafidy ny ho tonga tety an-tany ka tsy mendrika ny tahaka izao » hoy i Felana, mponina ao Sabotsy Namehana.

Anisan’ny olana lehibe mahatonga ny tranga toa izao ny tsy fahampian’ny lalàna mahakasika fiterahana sy ny vohoka tsy iriana. Fanampin’izany ihany koa ny tsy fahampian’ny fanabeazana ara-pananahana eto Madagasikara ka mampanaotao foana ny tanora. Mila fandraisaina fepetra entitra avy amin’ny mpisehatra isan-tsokajiny ny tahaka izao mba tsy hampanaotao foana, indrindra ireo tanora.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire