ActualitésTatitra

La Réunion : Nitady izay tena reniny izy 42 taona taty aoriana

Tafasaraka tamin’ny reniny i Frédéric taona 1979 ary nisy nanangana avy eo. Nahatsapa banga betsaka teo amin’ny fiainany anefa izy nandritra izany. Ankehitriny, 42 taona aty aoriana, tapa-kevitra izy fa hitady ny reniny ary manao antso avo ny amin’ny fitadiavana ireo tena ray aman-dreniny ary te hihaona mafy amin’izy ireo.Ny hahita ny reniny niteraka azy no tena tanjony. Nahita sariny fony zaza ihany izy tao anatin’ny antontan-taratasy fananganana azy tany Saint-Denis. « Efa ho 20 taona izao aho no nikaroka azy ireo ary tsy manary toky na dia efa 20 taona ihany koa aza ny zanako volaohany, tsy hijanona aho raha tsy hitako ny tena ray aman-dreniko » hoy i Frédérice. Faniriany ny hiteny « tia anao aho » amin’ny reniny izay tsy mba noteniny hatramin’izay ary indrindra ny hamihina azy.

Laisser un commentaire